Politique

Adiadin’ny mpifankatia


  • Talata 22 Desambra 2015

Andro sisa isaina dia hivalona ho tantara ny taona 2015. Matroka ny hoavy, raha tarafina amin’ny zava-nitranga sy niainana nandritra ity taona 2015 ity.

Taona izay nanjakan’ny fifandirana teo amin’ny samy andrim-panjakana sy fifanenjehana eo amin’ny samy mpitondra. Nisongadina tamin’ireny ilay “motion de déchéance” nikasan’ny depiote hanonganana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika. Navotan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny ora farany ity farany. Nitodika teny Mahazoarivo indray ny depiote, ka nirosoany tamin’ny “motion de censure” ho fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Avotra tampoka amin’ny ora farany ihany koa teto izy ireo. Rehefa samy tsy voaongana tamin’ny toerany, dia namaly faty indray ny mpanatanteraka ka manenjika ny depioten’Ankazoabo Atsimo ho mitsikomba amin’ny dahalo. Miray hina miaro ny namany ny depiote. Tampina ny daomy hatreto. Valalanina ny Vahoaka, izay mihamahantra andro aman’alina satria variana amin’ny adilahy politika ny mpitondra. Toa tsy adin’ny mpirafy anefa fa adiadin’ny mpifankatia ihany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT