Politique

Adalan’ny fitondrana HVM Toherin’ny TIM,MAPAR,MMM hatramin’ny farany


  • Zoma 06 Aprily 2018

Tontosa ny fanateran’ny solombavambahoaka TIM, MAPAR, MMM, ary ny tsy miankina miisa 73 teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny taratasy fitoriana na “Lettre de resèrve” hanoherana ny fomba fandaniana ny lalàna fehizoro miisa 3, niampy ny mikasika ny faritra ara-toekarena manokana na ny ZES izay tsy tafidira tao anatin’ny fandaharam-potoana akory,

raha ny fanazavan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Niara-nirona nanotrona azy ireo ny vahoaka maro, izay niaraha-niredona ny hira “Madagasikara Tanindrazanay” ankoatra ny fiventesana ny hoe “Aok’izay ny kolikoly”. Tokony foanana ny lalàna mifehy ny fifidianana, satria tsy manaraka ny lalàmpanorenana ary lany tao anatin’ny kolikoly, hoy ity depiote sady mpisolovava ity. Tsy narahina ny dingana parlemantera amin’ny fandaniana lalàna. Vita ny famakiana tatitra, dia mandeha ny ady hevitra, ny fametrahana fanontaniana, dia mamaly ny governemanta,... Ny zavatra hita anefa dia nosakanana izahay, tsy navela hiteny, izay tsy ekena, hoy izy. Tsy nisy resaka na inona na inona fa dia hoe lany ny lalàna. Raha mbola misisika amin’izany, dia mbola maro ny porofo, hoy hatrany i Hanitra Razafimanantsoa. Efa nisy io omaly io ihany ny fanateran’ireto olom-boafidy ireto teny amin’ny BIANCO Ambohibao ireo porofona kolikoly namabaran’izy ireo fa nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena nandritra ny fandaniana ireo lalàna fehizoro hifehy ny fifidianana farany teo.Ny tombotsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no ambony indrindra ka tsy maintsy arovana izany hoy ny TIM, MAPAR, MMM ary tsy hisy hilefitra amin’io mihitsy.

 

Re moa omaly hariva fa mety hisy ny fivoriana hataon’ny HVM eny amin’ny foibeny eny Antanimena anio mba hamalina bontana izao hetsiky ny mpanohitra ny fitondrana izao.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT