Politique

Accord de coopération» tamin’ny Frantsay Nahatsiaro manokana izany ny AREMA


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Notsarovana manokana omaly 4 jona 2023 teo ny fanaovan-tsonia ny « Accord de coopération» na ilay hoe fiaraha-miasa vaovao,

izay nifanaovan’ny fitondrana Malagasy sy ny fanjakana Frantsay. Raha tsiahivina dia io « Accord de coopération » io no tena nametraka ny fahaleovantenan’i Madagasikara taorian’ny fahaleovantena izay ankalazaina amin’izao fotoana izao dia ny 26 jona izany, raha ny nambaran’ny Antoko Arema. 50 taona katroka izay, ny 4 jona 1973 tokoa mantsy no nanaovana sonia ity fifanarahana , izay tamin’ny fotoana nitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Naneho ny Antoko Arema, fa marobe ny fiovana naterak’ity fifanarahana ity ary nanomboka hita taratra teto Madagasikara izany fahaleovantena tena izy izany. Isan’ny vokatra azo tamin’izany ohatra ny fialan’ny tafika Frantsay tany Diego sy ny faritra maro hafa. Tao ihany koa ny fahafahan’i Madagasikara nanangana ny Banky Foibe izay nisokatra ny 12 jona 1973, nanaraka izany ihany koa ny nanantsika vola manokana, ny fampidirana ny teny Malagasy tao anatin’ny fampianarana, fanafoanana ny fampianarana mitanila. Nomarihina fa vokatry ny tolona izay nataon’ireo tanora ny taona 1972 no nahatanteraka izany . Nahatsiaro ity daty ity teny faravohitra omaly alahady 4 jona teo ny antoko Arema izay notarihin’ny sekretera nasionaliny Ramatoa Annick Ratsiraka sy ireo avy amin’ny « Comité directeur » ary ny rantsa-mangaikan’ny antoko. Nandritra izany no nanaoavana ady hevitra momba ny fahaleovatenan’ i Madagasikara ary nampisehoana ihany koa ny horonan-tsary izay mirakitra ny fanaovan-tsonia ity « Accord de coopération » ity. «Efa eo am-pelatanan’ny malagasy izany fahaleovantena izany ary tsy azo kosehina ny sonia izay nifanaovana saingy ny fampiasana azy no mila fanamboarana », hoy Rtoa Annick Ratsiraka Sekretera nasionalin’ny Arema.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT