Tafatsangana eto amintsika ny « Academie des partis politiques ». Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny hotel Colbert omaly ny fisiany ka ny tanjona dia hahafahana mametraka marina ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny alalan’ny fanaovana politika madio sy mangarahara. Saika tanora avokoa no mivondrona eo anivon’ny ADP
misolotena ireo antoko politika misy azy izay nambaran’ny Foundantion Friedrich Ebert-Stiftung mpikarakara fa antenaina hitondra avo ny fanaovana politika eto Madagasikara tokoa. Tanjona ny tsy hahafaty momoka ny fampiharana ny demokrasia fa mba hahafahan’ny rehetra maneho hevitra sy miteny ao anatin’ny fahalalana, hoy ny mpikarakara. Tafiditra ao ny mpikarakara ny fananan’ireo antoko politika tsirairay avy sy vinan’asa mialoha ny hirotsahan’ny olona iray ao anatin’ny antokony hofidiana. Nisy moa ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ireo antoko politika ireo omaly narahina fifanakalozan-kevitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.