5 taona ny fitondrana no nitondra an’Iarivo

«Izao mifotetaka amin’ny tany izao ny Renivohitra»


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Raha ny tena marina dia tsy tokony hanao fisehoana be fa mahavita zavatra intsony ny kandida

atolotry ny mpitondra fanjakana, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération national. Tokony hampiseho fa efa betsaka ny vitany teo aloha izy, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre. Fantantsika tsara fa eo amin’ny fitondrana firenena dia ny olona no misolo fa tsy praograman’asa, hoy izy, na ny asa ho tanterahina. 5 taona ny teo amin’ny fitondrana no nitondra ny tanànan’Antananarivo. Izao mifotetaka amin’ny tany izao ny tanànan’Antananarivo. Na inona na inona izany lazain’izay ho kandida atolotry ny fitondrana, na hampiseho izy fa mahavita zavatra anaty fotoana fohy, dia ampy hitsaràna azy ny 5 taona nitondran’ny olona avy ao aminy ka tsy mahomby satria rehefa tsy mahomby izany dia soloina fotsiny ny olona dia heritreretina fa mety hahomby indray. Ny vahoakan’Antananarivo dia tsy mifidy olona araka ny politika fa araka ny filàn’ny vahoakan’Antananarivo azy. Izany hoe ny fahadiovana, ny fitantanana ny rano, ny fanamboarana ny foto-drafitrasa toy ny elakelan-trano, ny lakan-drano, ny lalan-kely. Izany no hitsaràn’ny vahoakan’Antananarivo, indrindra, fa eo amin’ny lafiny hoe fanatsaràna sy fanavaozana ny trano eto Antananarivo, ny famelàna azy hisitraka tanteraka ny fananany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT