Politique

45 miliara Ar ho an’ny fifidianana “Tanjona sahady ny 1er tour dia vita”


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Azo eritreretina ho tsy firaharahian’ny fitondram-panjakana ny fifidianana heritreretintsika amin’ny taona 2023 ilay tetibola natokana ho an’ny fifidianana nodinihina niaraka tamin’ireo antoko politika maro samihafa,

CENI, mpandray anjara marobe teny amin’ny Kianja Barea farany teo, hoy ny antoko politika Fiombonana. Ny sorabola dia azo heritreretina ny tsy ahafahana manatanteraka ny fiodinana faharoa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Manodidina ny 45 miliara Ariary ilay tetibola. Raha hiroso amin’ny fiodinana faharoa anefa isika dia mila 60 hatramin’ny 70 miliara any, raha hikarakara izany fifidianana filoham-pirenena izany. Fiodinana voalohany sy faharoa. Ilay 45 miliara Ariary izany dia efa mametraka tanjona sahady ataon’ny fanjakana fa tsy hisy ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 fa “1er tour dia vita”. Efa mandindona krizy aorian’ny fifidianana sahady araka izany iny sorabola 45 miliara Ariary iny. Aza adino nefa fa ankoatran’ny fiodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena dia mbola misy koa ny vola ilain’ny CENI hanomanana ny fifidianana kaominaly. Mampisalasala ihany, araka izany, ny fomba fametrahan’ny fitondram-panjakana mikasika ny laharam-pahamehana momba ny fifidianana. Tsy azontsika tsinontsiniavina koa, ankoatran’ny resaka “crédibilité” na fahazoana mankato na tsia ny valim-pifidianana, ny ahiahian’ny fianakaviambe iraisampirenena sy mpanara-maso iraisampirenena ny fifidianana. Misarika ny sain’ny tomponandraikitra midinika ity fifidianana miisa 2 be izao ity, noho izany, mba hijery izay fomba handinihana io toe-bola io ahafahantsika miatrika fifidianana am-pitoniana amin’ny taona hoavy, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT