Politique

4 taona nitondrana Ambikambin’asa no tena hita


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Ambikambin’asa no tena hita, raha izay no fomba tsotra indrindra azo ilazana ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ny fivoaran’ny

raharaham-pirenena eto Madagasikara ity tao anatin’izany 4 taona nitondrana izay. Hizara vary masaka na “riz cantonais” no zary hitetezan’ny filoham-pirenena sy delegasioniny faritra. Amin’io efa mazava ny fanontaniana sy ny tsikeran’ny mpanara-baovao hoe izany ve no hampiasana angidim-by na “hélicoptère”? Avo firy heny amin’ny vidin’ilay zavatra zaraina anefa ny fandaniana atao amin’ilay fitaovam-pifamoivoizana sy ireo delegasionina entina mankany? Samy efa niezaka nanao ny kajikajy momba izany ny rehetra. Toy izany koa ny resaka fizarana jiro “cobra” izay hatramin’ny minisitra no midina ifotony mizara azy. Dia tsy misy fitsinjaran’andraikitra azo atao mihitsy ve mikasika izany rehetra izany? 4 taona nitondrana, iaraha-mahita io ny fahapotehan’ny lalana, na lalam-pirenena izany na lalana anaty kaominina. Dia tena sarotra ve ny namita lalam-pirenena na dia tokana monja aza tao anatin’izay 4 taona mahery izay? Hifarana ihany anefa ity ny fotoam-piasana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT