30 novambra 2023

Nolazain’ny Twitter fa tao Paris i Andry Rajoelina


  • Zoma 01 Desambra 2023

Nolazain’ny tambazotran-tserasera Twitter fa tao Paris, Frantsa, omaly 30 novambra 2023,

i Andry Rajoelina, kandida ho filoham-pirenena malagasy nambaran’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI vonjimaika farany teo fa lany hitondra fanindroany mandritry ny 5 taona indray ity firenena malagasy ity. Isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao moa ny hoe ho lazaina fa sandoka na “fake” indray ve izao itony fampahafantarana na “localisation” ataon’ny Twitter itony? Ny kandida ho filoham-pirenena, Paraina Auguste, moa nilaza, volana maro lasa izay, fa nahazo fiantsoana any Londre, Angletera, ny kandida Andry Rajoelina, noho ny raharaha Romy Voos. Nanda ny fisian’izany kosa ny kandida Andry Rajoelina ary dia nantsoina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana mihitsy kosa ny kandida Paraina Auguste taorian’izay. Nambaran’ny fiadidiana ny repoblika malagasy mihitsy ihany koa fa tsaho ny filazana fa nahazo izany fiantsoana izany ity filoham-pirenena teo aloha voalaza teo ity. Tsiahivina fa vao aingana izay no nambara fa tsaho ny fisiana manam-boninahitra eo anivon’ny tafika malagasy miisa 2 izay nosamborina sy nanaovana fanadihadiana kanefa taty aoriana dia ireny niaraha-nahita ireny fa tena nisy tokoa ihany ilay tranga. Andrasana indray, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity. Inona no mety ho antony nahitan’ity tambazotran-tserasera ity an’i Andry Rajoelina tao Paris tamin’ny 12 ora sy 25 minitra tolakandro, ora any an-toerana, tamin’iny omaly iny? Hamonjy an’i Londres ihany tokoa ve sa mety ho antony hafa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT