30 andro voalohan’ny governemanta

Rakotra zava-doza sy tsy fanjariana ny Firenena !


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Nanamarika ny Fitondrana Rajoelina tao anatin’ny 30 andro voalohany nitondrany

ny zava-doza samihafa, izay maneho sy manarika ny tsy fahafehezana ny firenena, indrindra amin’ny lafiny fampandriana fahalemana. Taorian’ny 14 janoary nanendrena ny governemanta, isan’ny nanamarika izany ny famonoan’ny dahalo ny manamboninahitra lefitry ny fibaikoana ny zandary tany Maevatanana. Nanao ranolava ny fakana an-keriny na « kidnapping » tany Ankazobe, Anjozorobe, Tsaratanana, Andilamena,… Tahaka izany ihany koa ny fahafatesan’ny ben’ny tanànan’Andranomiely ao anatin’ny distrikan’Ankazobe, izay nisy mpitandro ny filaminana voarohirohy. Eo ny hetsika fampandriana fahalemana, izay hisaorana sy hankasitrahana ireo mpitandro ny filaminana izay tsy mikely aina, fa mety misy ihany koa ireo tranga toa mampiahiahy amin’ny mety fisiana endrika fanamparam-pahefana sy herisetra na habibiana. Niteraka adihevitra ohatra ny fitifirana olona miisa 08 tany Ikalamavony iray volana lasa teo izay, kanefa tsy tena nisy fanazavana ofisialy ny mikasika ity raharaha ity, eny fa na ireo mpiaro ny zon’olombelona aza mangina. Mampiahiahy ihany koa ny fitifirana ilay ben’ny tanàna tany amin’ny faritra Menabe izay teo ny hoe : maha mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo azy, fa misy mpitandro ny filaminana ihany koa voatonontonona ho mpiray tendro ka sao novonoina tsy hampihitatra ny raharaha ? Nisy ihany koa ilay tranga namoanan’ny miaramila teny amin’ny toby iray teny Ivato ny zandary iray, izay mety heverina ho tranga maningana kanefa mety azo hadika ihany koa ho endrika lonilony mitoetra.
FIRENENA RATSY TANTANA!
Ny resaka fandriampahalemana izay amin’ny ampahany izay, fa ny resaka fanolanana moa zary mitady ho tsy zava-baovao intsony na eo aza ny fanovana ny lalàna ka hanamafisana kokoa izany izay miandry ny fampiharana azy raha eken’ny HCC ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Nanamrika izay iray volana izay ihany koa ny fisiana fahasamborana ireo mpanjono Malagasy 164 tany Seychelles kanefa ny antsika ratsy fiarovana angalarin’ny olona fotsiny. Ny loza voajanahary izay nahafatesana sy nahalasibatra Malagasy maro dia maro izay mety misy ihany ny lesoka teo amin’ny fandraisana andraikitra. Mbola mifandraika amin’io ny zava-manjo ny an’Antananarivo Renivohitra, izay fitaratra voalohan’ny Firenena. Antananarivo aza tsy voafehy sy tsy voalamina dia amin’ny fomba ahoana no hahafaha-mitantana sy mampandroso an’i Madagasikara manontolo !? Milentika tanteraka ao anatin’ny fahapotehana sy faharavana, tototry ny fako, dibo-drano, mikorotan-dava, tsy ampy rano, miaina delestazy,… Ny lafiny sosialy sy toekarena amin’ny ankampobeny moa, dia tena mampikolay ny vidim-piainana, tsy milamina ny tany, tsy an’asa ny olona,… Tsy finiavana hitanisa ireo zavatra tsy mety fa tena fihemorana sy fahapotehana aloha no misongadina hatreto ka isan’ny antony goavana ny firenena ratsy tantana sy ny tsy fahaiza-mandrindra ny tokony ho laharam-pahamehana!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT