Misy zavatra sy tranga marobe tsy mazavazava mifandraika amin’ny politika maizina teto Madagasikara nanomboka ny 2009 hatramin’izao 2019 izao.
Maro ny vavolombelona nahita ka ao ny efa maty ary misy ny mbola velona fa mifidy ny hifitsaka. Misy ny nomena seza. Misy ny mahalala zavatra ka voatery niala teto Madagasikara sy miaina any ivelany noho ny fanahiana ny ainy. Misy ny manao ampamoaka tahaka an’i Fleury Rakotomalala, toy ny niresahany ny raharaha 7 febroary 2009 izay efa nanamelohana an-dRavalomanana, saingy nolavin’ity farany hatramin’ny farany. Nampisehoan’i Fleury Rakotomalala ny sary samihafa nilazany fa tetika efa maty paika ny 7 febroary, izay ivon’ny fanonganam-panjakana 2009. Nisy ny olona efa tafasaoty any amin’ny tsy tokony ho voatifitra kanefa tratry ny bala ka avy any an-dapa ve izany, hoy izy. Teo ihany koa ny filazany fa avy any amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar no niditra ireo fitaovam-piadiana saika hanaovana ady an-trano teto. Ny fampiasam-bola be tsy fanta-piaviana tamin’ny propagandy moa dia zary nangina, na ny Vondrona Eoropeanina izao aza no nilaza fa nizara vola ny kandida Rajoelina. Izany rehetra izany no mety nahatonga ny fanapahan-kevitra tamin’ny voka-pifidianana filoha ho heverina fa fanapahan-kevitra politika fa tsy teknika hoe: aleo atao i Andry Rajoelina no lany fa tsy I Marc Ravalomanana. Afera tsy mazava mandrak’androany ny mahakasika 2 baoritra tratra nentin’ny depiote Lanto Rakotomanga ny 8 jolay 2015, izay nalaza fa saika hamatsiana fanakorontanana firenena tsy nahomby,… Raharaha iray hafa isan’ny lehibe ny fahafatesan-dRtoa Nadine Ramaroson. Feno 8 taona katroka anio 28 aogositra ny nahafatesan’ity minisitry ny mponina teo aloha ity, izay namoahan’ny tranonkala http://collectif-gtt.org fa olona akaiky ny filoha ihany no nampamono azy tamin’ny alalan’ny loza nomanina. Nisy fivoriana tamina Lapam-panjakana iray ny 13 jolay 2011 nikotrehana izany, ka olona ambony, minisitra, manamboninahitra, teratany karana,… no nikaondoha, hoy io loharanom-baovao io. Na ara-politika na ara-tsosialy, toa nisy olona ambony takony sy mpanao afera voakitikitika tombotsoa. Tsy voatery ho vaovao diso na “fake news” daholo rahateo ny ampamoaka mivoaka amin’ny facebook sy ny twitter, fa mila porofoina ny maha diso azy raha diso tokoa. Tsy mety ilay hoe ajanona sy boriboriana fotsiny amin’izao sy lazaina fotsiny hoe: “adala” io, tahaka ilay natao tamin’ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay vavolombelona sy nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 nilaza ny tsiambaratelo maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.