Politique

16 volana nametrahana ny PDS Fitokonana telo goavana no nitranga tao Toamasina


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Tao anatin’ny 16 volana (jona 2010 – oktobra 2011) nitondran’ny PDS Rakotovao Mariot ny Kaominina, dia efa in-telo nitrangana fitokonana goavana i Toamasina I.

Teo ny fitokonan’ny “jockers” na mpitarika posy izay niafara tamin’ny fanimbana sy fandrobana tao Toamasina, teo koa ny fitokonan’ny mpiasa an-tselika nitety tanàna nitondra sorabaventy ary ity fitokonamben’ny mpiasan’ny Kaominina ity noho ny fitoriana misesy nataon’ny PDS ireo mpiasa eo anivon’ny Bianco. Omaly dia nisy indray ny famoahan’ireo mpiasa fitakiana faobe niarahana. Miisa 12 io fitakiana io, anisan’izany ny “fanomezan-toky tsy tanteraka…; mifanesy ny fivoahana tany ivelany nefa tsy misy vokany, ny efa vitan’ny Ben’ny tanàna teo aloha avokoa no mandeha ankehitriny; fanafoanana ny zon’ny mpiasa …”. Nambaran’ireto mpiasa mitokona ireto koa fa betsaka ny vola navoaka sy fanampiana azo tsy fantatra nanaovana azy.

“Mbola nomenay mpiasa 16 volana ny PDS Rakotovao Mariot nandinihany tena, na 03 volana aza no nolazainy ny jona 2010. Tonga ny fotoana nitsarana ny asany, ka tokony hiala moramora amin’izay izy fa potika ny tanànan’i Toamasina”, hoy hatrany ireto mpiasa. Tsy mbola ato ho ato raha izao no hivaha ny olana, na teo aza ny ezaky ny lefitra faharoan’ny PDS Ricky Dinh Van, niezaka hitady vahaolana tamin’ny mpiasa, izay niafara tamin’ny fanidin’ireo mpiasa azy tao anaty birao sy horakoraka fandrabiana ny alarobia tolakandro teo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT