15 taona nahazoana fahefana

Tsy niova ny fomba fiteny, tsy niova ny vokatra


  • Talata 21 Mey 2024

Tsy ho adino intsony», «tsy ho faralahy amin’ny fampandrosoana intsony», «tsy hitoka-monina intsony»,

santionan’ireo fomba fitenin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, hatramin’ny naha filohan’ny tetezamita azy nanomboka ny taona 2009 ireo. 15 taona aty aoriana dia mbola izay hatrany no voambolan’ny filoha matetika heno amin’ireo fitetezam-paritra ataony. Tsy niova ny fomba fiteny, tsy niova ny vokatra, mba tsy hilazana hoe niha ratsy aza ny vokatra. Azo ambara hoe 15 taona izany izao no nahazoana fahefana ny fitondrana Rajoelina satria tsiahivina hatrany fa kandida natolony sy notohanany ho tafakatra teo amin’ny toerana maha filoham-pirenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny taona 2013. Firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Potika ny fahafaha-mamokatra anatiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fahapotehan’ireo lalam-pirenena. Tsy tafakatra amin’ireo renivohi-paritany akory na dia ireo heverina hoe vokatra ambim-bavan’ireo tantsaha aza. Ny hoe nametraka ny anarany sy ny fandalovany teo amin’ny fitantanana ny firenena kosa nefa etsy ankilany, tsy azo lavina. Rehefa hiresaka ianao hoe iza no nanao ny hopitaly manara-penitra? Andry Rajoelina no valiny. Toy izany koa rehefa hiresaka hoe kianja manara-penitra, sekoly manara-penitra, atsy ho atsy koa moa izany ny hoe teleferika sy rehefa lazaina fa manara-penitra rehetra na dia nisinisy ihany aza ireo efa niaraha-nahita fa manara-pofona sy mitete ary nirodana am-pitoerana teny fotsiny. Ny vidim-piainana midangana. Ny sandam-bola mihena matetika. Izy ihany aza moa no niaiky fa afaka 20 na 30 taona vao ho afaka eto ny tsy fanjarian-tsakafo, izany hoe, tsapany fa tsy misy miantraika amin’ny aty vilanin’ny vahoaka ilay heveriny fa fampandrosoana entiny. Fanontaniana matetika mipetraka moa ny hoe mba miheritreritra ve vao manao zavatra ilay fitondram-panjakana sa manao zavatra vao miheritreritra?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT