15 taona mahery nahazoana fitondrana

Tsy nahavaha fa vao mainka nahatonga olana maro


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Hatramin’ny tetezamita 2009-2013 ka hatramin’izao no azo lazaina ho nisy tanan’izany Andry Rajoelina izany hatrany ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara.

Izy no filohan’ny tetezamita nandritry 5 taona. Olony no lasa filoham-pirenena ny taona 2013 hatramin’ny 2018. Nahavita fotoam-piasana maha filoham-pirenena, izay natao haharitra 5 taona indray izy farany teo, raha ny tokony ho izy, saingy na nitabataba mikasika ny fifidianana nokarakaraina manaraka mbola nahalany azy izao fanindroana izao ho tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana aza moa ny mpanohitra dia iny izy tafapetraka eo ihany iny. Nojeren’ny fitsaràna tokony hiadidy izany fotsiny ny resaka zom-pirenena na «nationalité» maha malagasy voalaza ho efa tokony ho very taorian’ny fiofon’ity filoham-pirenena malagasy ity ho teratany frantsay na ilay antsoina hoe «naturalisation». Nifarana talohan’ny 20 janoary, izay fe-potoana tokony hifaranany marina ny fe-potoam-piasan’ilay filoham-pirenena natao hitondra nanomboka ny taona 2019-2023. Nojerem-potsiny koa izany. Heverina ho tsetsatsetsa tsy aritra tsy azo lalovana fotsiny daholo anefa izany rehetra izany fa rehefa natao izany ny tombana tao anatin’izay 15 taona mahery nahazoana fitondrana izany dia tsy nahavaha fa vao mainka nahatonga olana maro teto amin’ny firenena ny fijoroan’izao fitondram-panjakana ankehitriny izao. Mitombo ny olan’ny rano sy herinaratra. Mitombo vokatr’izany koa ny tsy fisian’asa sy fahaverezana aza. Mitombo ny endrika tsy fandriampahalemana, mba tsy hilazàna hoe mitombo ny tsy fandriampahalemana. Hita tato anatin’izao fitondrana izao daholo ary nirongatra mihitsy ny fakàna voamasona varira, ny fanapahan-doha, ny fakàna an-keriny, ny asan-dahalo sy rehefa mety ho endrik’izay tsy fandriampahalemana izay. Niakatra ny vidim-piainana. Nidina hatrany ny sandan’ny Ariary. Nitotongana ny tontolon’ny asa sy sehatra maro, izany hoe, ny ankapoben’ny fiainan-dRamalagasy mihitsy. Mipetraka izany ankehitriny ny fanontaniana hoe ahoana izany izao no fomba hamahan’izao fitondrana izao olana taorian’ireo olana rehetra voavoly tao anatin’izay 15 taona izay?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT