13 taona antoko Kintana

"Mety aminay izao fitondrana izao!"


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

Mety aminay izao fitondrana izao,

hoy ny antoko politika Kintana, raha nanamarika ny faha 13 taonany tetsy amin'ny Motel Anosy ny sabotsy. Mba alainareo sary an-tsaina fotsiny, hoy ny sekretera jeneralin'izany antoko izany, ny zava-nisy taloha, izany hoe tamin'ny andron'ny fitondrana Andry Rajoelina, fa ny toerana toa an'itony Motel Anosy itony dia fady. Tsy nahazo nidiran'ny mpanao politika itony, hoy izy, taloha. Ankehitriny, indreo isika fa afaka miliba ato. Ny tena zava-dehibe dia mahita ny Kintana fa tena mifanaraka amin'ny vina sy fotokevitry ny antoko ny tanjon'ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao dia ny mikasika ny fanorenana ifotony ny firenena sy ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ny tenany. Nifandimby nanamafy moa taorian'izay ny tenany sy ny filoha mpanorina ny antoko, Tabera Randriamanantsoa, sy ny filoha nasionaly, Christian Tabera, fa mila ravana ny antenimieram-pirenena izay na ny filohan'ny firehana nahalany ny maro an'isa tao aminy aza sahiny nivadihana. Mila ravana koa, hoy hatrany ny antoko, ny lalampanorenan'ny repoblika faha 4 mba ahafahantsika manorina Madagasikara vaovao.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT