Politique

100 andro mihemotra Governemanta tsy mamokatra


  • Zoma 18 Desambra 2015

Mihemotra ny naoty azon’ny governemanta Ravelonarivo taorian’ny 100 andro andiany faharoa, nampiharana ny fomba fiasa ahazoana vokatra haingana na “RRI”. 87 amin’ny 100 (87%) no azony raha 94 amin’ny 100 (94%) izany taorian’ny 100 andiany voalohany.

 


Mbola sahin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo anefa no nilaza omaly, andro nampahafantarana ny vokatra azo taorian’io 100 andro andiany faharoa io, fa “tratra ny tanjona, nahafa-po ny vokatra”. Raha ny fanazavana dia nampitomboina ho 82 ny tanjona notratrarina tamin’iny 100 andro andiany faharoa iny, raha 51 izany tamin’ny voalohany. Nampiany fa andrana ny andiany voalohany, fampiharana ny andiany faharoa, fa amin’ny 100 andiany fahatelo no tena hivaingana ny vokatra.

Azafady e ! Hiandry 100 andronareo im-piry ny Malagasy vao tsy ho sempotra intsony amin’izato tsy fandriampahalemana ? Ny mpampandry tany mba nantenain’ny tantsaha hiaro azy sy ny fananany indray aza no toa mamono sy mandroba. Toa arakaraky ny anaovan’ny governemanta an’ity 100 andro, 100 andro ity anie no mampirongatra ny kolikoly e. Tranga iray tena nampitolagaga ny maro ny “raharaha Bekasy”, izay nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa atidohan’ny trafikana boaderôzy nefa navotsotra fotsiny. Nilokalokan’io governemanta io fa hofitirina amin’ny tafondro tsy hananana indrafo izay sambo mitatitra boaderôzy an-tsokosoko. Mba im-piry nipoaka izao izany tafondro izany, nefa re hatrany fa misy boaderôzy an’arivony taonina tonga any Chine any ? Hiandrasana 100 andro fahafiry ihany koa vao hivaha ity delestazy ity.

Vokatra inona ihany koa moa no handrasana amin’izay governemanta miady an-trano, na dia hanao 100 andro im-polo kely eo aza ? Efa nibaribary anie fa adiady anatiny tao amin’ny governemanta no nampandraiky nanavy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny Sekretera jeneralin’ny governemanta Zafinandro Armand tamin’ny volana novambra 2015 lasa teo iny, ka nandefasana maika azy ireo nitsabo tena tany Frantsa sy La Réunion e. Vaky ambatolampy aza moa io disadisa anatin’ny governemanta io raha niverina an-tanindrazana avy nitsabo tena ny praiminisitra, tamin’ny nilazan’ny mpanolotsaina manokana iray eny Mahazoarivo sendra ny Tia Tanindrazana, fa «Hiborotsaka eo avokoa ny sarontavan’ireo efa nanao kajikajy ho praiminisitra». Tsy vitan’izay miady anatiny, fa lany andro mifandramatra amin’ny solombavambahoaka ihany koa ny governemantan’ny praiminisitra Ravelonarivo. Efa nanaovan’ny depiote fitsipaham-pitokisana, saingy avotra tamin’ny ora farany ny praiminisitra. Tsy nifarana teo anefa ny ady fa vao mainka nihombo tao anatin’ny raharaha Mara Niarisy, depioten’Ankazoabo Atsimo noho ny resaka omby.

Koa vokatra inona no mbola handrasana amin’izany ? Sao mba ny vahoaka Malagasy manontolo no ho lasa sorona iray trano ato. Mety ho izany no mampandeha ny feo fa misy minisitra valo hosoloina, izay voalaza fa ireo mpamatsy vola mahazatra an’i Madagasikara mihitsy no mitaky ny hanesorana azy valo ireo fa midororororo fotsiny tsy mamokatra. Na ambasadaoro iray aza tsy voatendry tao anatin’ny 23 volana. Ny mpitazana indray dia mahita fa ny governemanta manontolo io mihitsy no mila ravàna fa tsy mamokatra.


Jean D.

Ragasy : Governemanta efa tsy mahomby izao ve mbola ho matin-kenamaso ihany fa tsy ravana any, fa mijaly ny vahoaka e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT