Politique

10 volana mialohan’ny fifidianana “Tsy vahaolana intsony ny fanovana governemanta”


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Ankoatra ny nilazan’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana fa tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy ny tany tan-dalàna, ny fiarahany amin’ny Fitondrana ankehitriny, ary nanamarihany ihany koa fa izay fitondrana ialan’izy ireo dia

miongana, naneho hevitra momba ny raharaha fanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny mety ho fikitihana ny governemanta na tsia ihany kosa izy. “Tsy maintsy maka toromarika avy amin’Antananarivo ny any ivelany. Raha tsy maka sy tsy manaraka ny toromariky ny Filoha ianao, na tiana na tsy tiana amiko, dia hadisoana arak’asa “faute Professionnelle” izany. Rehefa tsy manaraka ny torohevitra tsotra hoe: rehefa tsy manaraka ny eritreritrao na heverinao fa tsy mifanaraka amin’ny tombotsoan’ny firenena dia mametra-pialana ianao. Aza gaga raha manala anao ny tomponandraikitra”, hoy izy. Momba ny fanovana ny mety ho fanovana governemanta. Mbola fotoanany ve hanovana governemanta 10 volana mialohan’ny fifidianana? Hoy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Sarotra ary izao ve vao hianatra asa indray raha izao vao hanao izany? Ny hevitro dia mety manahirana ihany raha izao vao hisy izany, hoy hatrany Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Ny tokony hatao dia izay hirindran’ny fiasan’ny governemanta mba hisy tena vokany ny asany, tsy hisy manoa rina, izay no tokony hatao. Hiova ny sekretera jeneraly, Tale,… ka ho aiza ihany isika raha hanova foana isaky ny 6 volana, hoy ny fanamarihany. Taiza ianareo, hoy izy, no mbola nahita governemanta ka miova isaky ny 6 volana indraindray kanefa moa dia nandramana izany rehetra izany, izaho mieritreritra fa ireo no tokony hatao izay mahamety azy hampandroso firenena, hitsiana izay meloka sy diso, hoy I Norbert Lala Ratsirahonana. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 17 martsa 2022 teo nisy fikitihana ny governemanta, manana minisitra 2 ny AVI dia ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Minisiteran’ny Fitaterana, ary tany am-piandohana dia naneho ny Antoko fa tsy mba ho isan’ny Minisiteran’ny kolikoly ny Minisitera tantanin’izy ireo. Momba ny governemanta, tsara ny mampahatsiahy, fa in-dimy teo izay ny fikitihana nanomboka ny 21 janoary 2019. Raha ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny manokana, efa olona fanineniny nitantana izany ny Minisitry ny fiarovana izay miandraikitra azy vonjimaika, Minisiteran’ny fitsarana in-dimy niova minisitra, Minisiteran’ny atitany in-telo, ny Minisiteran’ny fahasalamana in-telo, Minisitry ny fanabeazana in-telo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT