08 MARTSA- ANTOKO AREMA

Namboly hazo teny Bongatsara


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Ho fankalazana ny datin’ny 08 Martsa izay nomarihina tamin’ny Zoma

lasa teo dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Bongatsara Atsimondrano ireo mpikatroka manerana ny renivohitra. Nilaza ny sekretera nasionalin’ny antoko Arema Ramatoa Annick Ratsiraka fa isan’ireo toerana manatantara ho an’ny anoko ihany koa ity tany nambolena hazo tao Bongasara ity fony mbola nitondra ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Io toerana io mantsy no natokan’ny fanjakana honenan’ireo olona sahirana tsy manan-kialofana tamin’izany. 2 ha mahery ny velaran’ny tany ary karazan-kazo maro no novolena teny ka olona manodidina ny 2000 isa no niara-nientana tamin’ny fambolena. Rehefa vita ny asa dia niara-nisakafo sy nandihy ireo mpikatroka Arema. Tsy ny vehivavy ihany no tonga nanao ny adidiny tamin’io fotoana io fa nanotrona ihany koa ireo mpikatroka lehilahy marobe. Maro an’isa ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny SN Arema ary manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiaraha-monina misy azy izy ireny. Naneho hevitra mahakasika ny tranga fanolanana izay toa miha mahazo vahana ihany koa ity mpitarika ny Arema ity ka nolazainy fa ny fampiharana ny lalana no tokony hamafisina izay tsy hijerena tavan’olona fa rehefa tratra manao ny tsy mety dia tokony ho faizina manaraka izany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fambolen-kazo tety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT