Ny firenena tsirairay avy, hoy ny manampahaizana momba ny fomba malagasy, Eddy Jean Philippe sady filoha lefitry ny fikambanana Tandroharena, dia samy manana ny fomba amam-panao mampiavaka azy avokoa.
Na eo aza ny fiavahana dia misy teboka vitsivitsy kosa ifandraisan’ireo fomba amam-panao misy eran-tany. Anisan’ireny ny fisoronana. Eto Madagasikara dia misy karazany io, arakaraka ny faritra. Raha hiresaka Joro manokana isika dia petra-kevitra 1 nahatonga ny anarana raha ny lovantsofina dia nijoro sady nanao sorona ny Malagasy rehefa nifandray tamin’ny Zanahary na koa ilay antsointsika hoe nivavaka. Mifanandrify amina kolontsaina hafa koa io rehefa dinihina. Fantatsika tsara ny resaka zanak’ondry tsy misy kilema teo amin’ny kolontsaina Jiosy, hoy izy. Ireny rehetra ireny dia samy manana ny tandindona lazainy avokoa izay raha aravona dia fanajana ny Mpahary sy fangataham-pitahiana aminy mba hahavokatra be amin’izay atao. Zanak’ondry na omby na akoho na osy, izany hoe, biby foana kosa anefa, na taiza na taiza sivilizasionina teto ambonin’ny tany no nanaovana sorona fa amiko efa resaka hafa mihitsy ny manao sorona olombelona. Isika Malagasy mihitsy aza no tena sarotiny tamin’io ary saropady ny vehivavy mitondra vohoka ka antony niantsoana azy hoe mitondra rano. Ny rano dia tandindon’ny aina ary tena notandrovantsika ireny nitondra aina ireny satria saropady amin’ny malagasy ny aina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.