Tsaho ny filazana fa maty

i Honorat Fou hehy


  • Talata 07 Aprily 2026

Risque de Rupture d’Anévrisme» no mahazo azy,

tena mila fandidiana maika
Ny faran’ny herinandro teo no nanomboka niantso tolo-tanana ho an’i Honorat Herisolofomahefa na Honorat Fou hehy ny namana sady mpiara-milalao hatsikana aminy, Eric Rakotoarimanana na Eric Fou hehy fa marary mila fandidiana maika ity zokibe mpanao hatsikana voalaza etsy ambony teo ity. Raha ny fanampim-baovao voaray dia ahiana ny hisian’ny fahapotehana eo amin’ireo rentsika na «nerf», izany hoe ity aretina mahazo azy ity no antsoina hoe «Risque de Rupture d’Anévrisme». Tsy maintsy any am-pitan-dranomasina, noho izany, no ho didiana ny lehilahy. Tena maika izay fandidiana azy izay, hoy hatrany ny fanamafisan’ireo namany sy fianakaviany, ka dia entanina hatrany ireo rehetra te hanampy ity kintan’ny hatsikana malagasy ity mba handrotsaka izay azony atao amin’ny laharana 038 60 878 64 na 034 03 814 14. Namoaka rakitsary nampahafantatra moa i Honorat ny sabotsy teo fa tsaho ny filazàna hoe maty ny tenany fa mbola velona soamantsara kosa ary mbola nanaraka fitsaboana teto an-tanindrazana. Irariana, araka izany, ny hahafeno aingana ny enti-manana ahafaha-mitsabo azy ary mba ho tanteraka aminy koa ny fomba fiteny hoe «Irian-ko faty vao mainka ela velona!».
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT