Honorat Fou hehy

Efa tsara fandraisana


  • Zoma 17 Aprily 2026

an-tanana ao Inde

Efa voaray avy hatrany aho vantany vao nigadona teto amin'ny hopitaly MIOT ,Chennai, aty Inde, nanomboka tamin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva, hoy ilay mpanao hatsikana malagasy, Honorat Herisolofomahefa na Honorat ao amin’ny tarika Fou Hehy omaly. Tsiahivina fa fanahiana amin’ny fahatapahana lalan-drà mifandray amin’ny loha na «risque de rupture d’anévrisme» no voalaza ho mahazo azy. Tsy maintsy hiatrika fandidiana any Inde izy vokatr’izany ary dia samy miandry voandalana mahafaly dia ny fahasalamàny indray, araka izany, indrindra, ireo mpankafy ity mpanao hatsikana ity. Raha ny fampitàm-baovao voaray omaly aloha dia efa tsara fandraisana an-tanana izany ity Zokibe nametraka teo amin’ny tontolon’ny hatsikana malagasy an-taonany maro ity. Hita ho feno fanantenana rahateo ny hafatra nambarany nialoha izao hiatrehany fandidiana izao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT