Zokiolona ao Ambositra

Mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangaro-paosy


  • Zoma 21 Novambra 2025

Manao antsoavo amin'ny mpitandro

filaminana ireo zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono eny amin’ny «trésor» na tahirim-bola eny Alakamisy, kaominin’Ambositra, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Lasibatry ny haro-paosy ataon'ireo tontakely manodidina eo Alakamisy, araka ny fitarainana matetika nalefan'izy ireo tamina fandaharana iray ao an-toerana izy ireo. Manomboka eo Alakamisy ireo olon-dratsy no manaraka ireo zokiolona hitany fa nandray vola teo amin’ny «trésor» ary fantany ny fotoana fandraisam-bola, hoy ny fitantaran'ireo efa niharan’ny asa ratsy. Miangavy ny hisian'ny fandraisana andraikitra maika manoloana izao tranga izao ireo zokiolona ireo fa mitaintaina isaky ny fotoana fandraisam-bola, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangaro-paosy izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT