LOZA

SY FATY OLONA


  • Alakamisy 26 Novambra 2026

MARO ISAKY NY FARAMPARAN’NYTAONA

Tsy manao « inventaire » Andriamanitra fa vokatry ny filalaovam-paty »
Matahotra sy mihorohoro avokoa ny ankamaroan’ny olona rehefa manakaiky tahaka izao ny faran’ny taona. Miparitaka mantsy ny feo fa manao inventaire Andriamanitra ka samy mitandrina avokoa ny rehetra mba tsy hisy ho faty. Misy mihitsy aza ireo milaza fa tsy tokony hiaraka hanao voayge ny fianakaviana iray raha hivoaka hanao fety na hiala sasatra any ivelan’ny renivohitra fa mandeha tsikelikely sao sanatria miara-ripaky ny lozam-pifamoivoizana. Tsy manao inventaire izany Atra hoy Pastera Heritiana fa vokatry ny filalaovam-paty no mahatonga izay nanomboka tany amin’ny vanim-potoan’ny ririnina. Raha amin’ny maha-olombelona hoy izy dia tena tsy misy maharatsy ny mamono lamba ny vady, ny olon-tiana, ny Ray aman-dReny, ny zanaka ....efa maty saingy tena zava-doza kosa izany any amin’ny tontolo ara-panahy. Ny fanahin'ny fahafatesana mihitsy no hiniantsika fohazina hoy izy ka izay no miteraka trangana loza samihafa isaky ny faramparan'ny taona tahaka izao . Devoly no ao ambadik'ireny faty olona maro samihafa ireny fa tsy Andriamanitra araka ny filazany. Ho an’ireo mikasa handeha hanao voyage amin’ity faramparan’ny taona ity moa dia nomarihiny fa tsara foana raha mivavaka mandrakariva ary mametraka ny dia eo am-pelatanan’Andriamanitra rehefa handeha hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VARIRA NISY
  • Zoma 27 Novambra 2026

NANAFIKA TANY TSARATANANA

  • PR JOSEPH-
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

TSINGERIN-TAONA MAINTY

  • Fanakorontanana
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

fiarahamonina

  • Lehilahy naka
  • Alakamisy 19 Novambra 2026

vola 2 tapitrisa Ariary

  • Ady amin'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

heloka bevava an-tserasera

  • Fifanarahana
  • Alarobia 18 Novambra 2026

stratejika ara-tafika

Hijery ny tohiny
FTT