Nalain’ny Fitondram-panjakana,
tsaboina eny amin’ny HOMI
Renim-pianakaviana manana toe-tena varira iray indray no lasibatry ny jiolahy tany amin’ny distrikan’i Tsaratanana. Ny alin’ny 24 hifoha 25 Novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nitrangan’izany tao Ampanasandamba, kaominina ambanivohitr’i Betrandraka. Rtoa Zanatombo Marié Viviane no lasibatra tamin’izany. 45 taona ity farany ary efa manana zafikely. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana, dia olona roa tsy mbola fantatra ny mombamomba azy no niditra an-keriny tao an-tranon’ity Ramatoa ity ary nandidy ny tendany tamin’ny fitaovam-piadiana maranitra. Araka ny fanazavan’ny fianakaviany, dia mety ho nikasa ny hamono azy ireo mpanafika. Ny antso vonjy nataon’ny zafikeliny vavy no voalaza fa nahatonga ireo mpanafika handositra, ireto farany izay mbola nanitsaka azy mafy koa ka vao mainka nampahery vaika ny antso vonjy nataony. Nentina haingana teny amin’ny Hopitaliben’i Tsaratanana ilay niharam-boina taorian’izany. Efa nandray andraikiny koa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny zandarimariam-pirenena amin’ny fikarohana mba hamantarana sy hisamborana ireo nahavanon-doza. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nandefa angidimby naka io Renim-pianakaviana varira io tany Tsaratanana ary nitondra azy mba hotsaboina etsy amin’ny hopitalin’ny miaramila na HOMI Soavinandriana ny Fitondram-panjakana. Efa miomana amin’ny fikarakarana ilay tendany nodidian’ireo jiolahy tamin’ny antsy ireo dokotera mpandidy hatramin’ny omaly hariva. Na izany aza dia tsy misy ahiana ny ain’ity Renim-pianakaviana varira ity hoy Atoa Fulgence, Filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana varira lasibatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.