Fandriampahalemana

Zazavavy 8 taona nisy naka Mahajanga


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Nirahin-dRay aman-dReniny hividy crédit na fahana no nivoahan’ i Laetitia, zazavavy kely vao 8 taona tao an-tokantranony omaly tokony ho tamin'ny 10 ora maraina tany Mahajanga.

 

 

Nisy niantso mafy tamin'ny anarany teny an-dalana anefa izy nandritra izany no sady nampiany hoe : avia aty fa tadiavin’i papanao ianao". Nanatona avy hatrany i Laetitia nandritra izany kinanjo nahondran'ireo tsy mataho-tody tao anaty bajaj ary nentiny.Rehefa tonga teo Amborovy dia somary navoakan’ireo jiolahy ilay zaza ka nampisotroiny rano. Nampidirin'ireto jiolahy tanaty gony moa i Laetitia ka rehefa nisy nahatsikaritra izany dia nanatona moramora ny fokonolona. Raiki-tahotra ireto dahalo vokatr’izany ka nitsoaka nandositra ary natsipiny ilay gony hoy ny vaovao.Nosokafan’ny fokonolona ilay gony taorian’izany ka hita tao i Laetitia kely izay efa tsy nahatsiaro tena intsony.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT