ZAZA VERY, VONO OLONA,…

Nilahatra nanao diabe ny olom-pirenena


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

fandriampahalemana eto amintsika. Atahorana sao hisy hamaky ny trano rehefa mandeha miasa. Ahiana sao ho very ny zaza rehefa mandeha mianatra na hisy haka an-keriny. Hiasan’ny saina ny mpanendaka rehefva any anaty taxibe na sendra tratra hariva….Manoloana ireo rehetra ireo dia nihetsika nanao diabe niainga teny Ampefiloha niazo an’Andohatapenaka ny olom-pirenena afak’omaly Sabotsy 17 May. Nambaran’izy ireo fa very tanteraka ny firaisankinan’ny Malagasy. Lasa mifamono sy mifanao herisetra ny isam-batan’olona vokatry ny fahantrana sy ny fahasahiranana raha eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana. Manana andraikitra amin’izany ny tsirairay hoy izy ireo ankoatra ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nentin’izy ireo nanairana ny Fitondram-panjakana ihany koa moa ny hetsika fa tena mahatsiaro mijaly ny vahoaka. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro efa tena manahirana nefa mbola olana hafa ihany koa ny tebiteby sy ny adin-tsaina manoloana ny zavatra mety hitranga ao an-tokantrano na amin’ny ankohonana.
Pati
Legende : Tokony hahatonga saina ny fanjakana ny diabe hataon’ny olom-pirenena matetika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT