ZAZA VERY TETO AN-DRENIVOHITRA

Nahatratra 46 nandritra ny enim-bolana


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Nahatratra 46 isa ny tranga filazana sy fitarainana zaza very nisy teto an-drenivohitra

voarain’ny sampandraharaha manokana misahana izany nanomboka ny volana Janoary taona 2024 ka hatramin’ny volana Jona lasa teo, raha araka ny loharanom-baovao azo. Ankizy eo amin’ny 4 ka hatramin’ny 16 taona eo ho eo ny ankamaroan’izy ireo raha ny fantatra ary ankizy nitsoaka ny tokantranon-dRay aman-dReniny avokoa ny ankamaroany. Antony mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao ny fikorontanan’ny tokantranon’ny mpivady izay tena misy fiantraikany eo amin’ireo ankizy tokoa. Tsy lazaina intsony ireo mipetraka amin-dRaikely na amin-dRenikeliny ka mahatsiaro mijaly hany ka lasa miborioka. Misy kosa anefa ireo mandalo ny vanim-potoanan’ny adolantsento ka tsy maharitra ny rebireben’ireo namany. Tsy vitsy amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no mitaraina mafy ny amin’ny hasarotan’ny fitaizana ny ankizy ankehitriny saingy tsy maintsy hatrehina.
Pati
Legende : Antony mampitsoaka ny ankizy hiala ny tokantranon-dRay aman-dReniny ihany koa ny herisetra mahazo azy tahaka izao ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT