ZAZA VERY TETO AN-DRENIVOHITRA

Nahatratra 45 tato anatin’ny 5 volana voalohan’ny 2025


  • Talata 20 Mey 2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

teto an-drenivohitra nanao filazana teo anivon’ny Polisim-pirenena, raha araka ny vaovao azo. Tamin’ity volana May ity anefa no betsaka indrindra satria dia nahatratra 14 isa izany. Raha araka ny fantatra dia ireo ankizy mitsoaka ny tokantranon-dRay aman-dReniny no tena betsaka amin’izy ireo. Mety ho vokatry ny tsy fahafaliana ny amin’ny fiainana hiainany izany hoy ny psikology iray nefa mety ho vokatry ny fitanilan’ny fitaizana ihany koa. Rehefa tsy ampy fitaizana mantsy ny ankizy noho ny rotorotom-piainana hiainan’ny Ray aman-dReny isan’andro dia lasa mitady fitiavana any an-kafa. Misy indray ireo mikatsaka izany anaty finday noho ny fivoaran’ny teknolojia avo lenta ankehitriny. Tsy mety hoy hatrany ity psikology ity ny fividianana finday avo lenta ho an’ny ankizy ho takalon’ny tsy fahampian’ny fotoana hihaonan’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka. Avy amin’ny alalan’izany mantsy no mampanita-tsaina ny ankizy ka mahatonga azy hanaotao foana. Vahaolana aroson’ity psikology ity araka izany ny tokony hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny ankizy sy ny Ray aman-dReny na inona na inona olana mety sedraina sy ny hasarotan’ny fiainana.
Pati
Legende : Ny zazavavy kely no tena betsaka very eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT