Fandriampahalemana

Zaza very tao amina Clinique tao Toliara Atao fanadihadiana ilay rasazy sy ny mpiambina


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Korontana be tao amin’ny Clinique iray tao Toliara omaly. Tsy nanaiky mora foana ny fahaverezan’ilay zazalahy kely vao teraka,

nanjavona tampoka teo anilan-dReniny mantsy ireo fianakaviany ka nitokona nanoloana ity tobim-pitsaboana tsy miankina iray ity omaly. Tsy navela hijery kely akory ilay « camera de surveillance » nirakitra ny tena zava-nisy marina tao amin’ity hopitaly ity mantsy ireo fianakaviana rehefa nangataka izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia afak’omaly alina no nanjavona teo anilan-dReniny ilay zaza. Vehivavy nisandoka ho mpampivelona no voalaza fa naka ilay zaza ary tsy niverina intsony. Olona miisa 3 no voatery nosamborina ary nalaina am-bavany nanomboka omaly hariva toy ny mpiambina ilay Clinique, ny rasazy iray….Mitaky ny hamoahana ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ireo fianakaviana koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.


Tompon’andraikitra feno amin’ny olona mivoaka sy miditra ao amin’ny toeram-pitsaboana ny mpiambina sy ny tompon’andraikitra ao ary na inona na inona resahana dia tsy tokony ho vitavita ho azy ny zavatra tahaka izao ; ary tena mila fantarina mazava hoe inona no antony, sao sanatria efa miala any indray ny tambajotran’olon-dratsy mpangalatra zaza menavava.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fahorian’ilay renim-pianakaviana very zanaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT