Fandriampahalemana

Zaza very Nahatratra 750 isa tamin’ny taona 2022


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Nitombo ny isan’ireo zaza very teto amintsika. Nahatratra 750 isa izany tamin’iny taona 2022 nivalona iny raha araka

ny loharanom-baovao azo tetsy amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana. Ny 400 isa tamin’ireo no very teo an-kohonan-dRay aman-dReniny raha araka ny fantatra ary efa tafaverina soa aman-tsara. Ny ambiny kosa tsy voafaritra mazava hoy ny kaomisera Andriamiandra Fidy noho ny fisian’ireo Ray aman-dReny sasany falifaly fotsiny rehefa tafaverina ny zanany ary tsy manome vaovao ny polisy intsony. Ilaina mihitsy anefa izay fampitam-baovao izay hoy hatrany ity kaomisera ity hahafahana manohy ny fanadihadiana raha toa ka ilaina izany. Olana ao an-tokantrano amin’ny ankapobeny no tena manosika ireo ankizy hiala ny tokantranon-dRay aman-dReniny ankoatra ireo efa manaraka namana sy olon-tiana any amin’ny toerana tsy fantatra. Eo an-daniny anefa dia mitombo ihany koa ireo olona maniry ny hanangana sy mitsiriritra ireny zaza misy manary ireny eto amintsika izany tsy maintsy manaraka rafitra an-tanan-tohitra maro vao afaka manatanteraka izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT