Fandriampahalemana

Zaza varira nalaina an-keriny Avotra soa aman-tsara i Rasoanirina Olivette


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Zazavavy kely nalain'ireo olon-dratsy an-keriny tany amin’ny Fokontany Ambalateza, kaominina ambanivohitra Manantenina, distrikan’i Taolagnaro tamin’ ny 10 febroary lasa teo i Olivette.

Tsy hita popoka izy vokatr’izany. Taorian’io tranga io anefa dia fantatra fa misy olona roa mivezivezy mitady mpividy zaza varira tao Tolagnaro. Napetraka ny vela-pandrika ka tratra tao amin'ny Fokontany Lanirano kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro ny olona roa izay voatondro fa mivarotra ity zaza varira ity. Rehefa nohadihadiana ireo olon-dratsy dia nilaza ireto farany fa any anaty ala no nametrahany io zaza varira io. Niroso avy hatrany tamin'ny fidinana ifotony ny Polisy ka omaly alahady 19 martsa tamin'ny 02 maraina no tonga tao anaty ala, izay nitazonana ilay zaza, ao avaratry ny kaominina ambanivohitra Enakara Haut ny mpitandro ny filaminana. Raikitra ny fifandonana tamin'ireo olon-dratsy ka iray tamin'ireo jiolahy no voatifitry ny balan'ny Polisy ary afaka teo am-pelatanan'ny olon-dratsy i Olivette. Raisin'ny DRSP mivady sy ny PMPM an-tanana ny fikarakarana sy ny fampiantranoana ary ny fiarovana an'i Rasoanirina Olivette mandrapahita ny fepetra raisina mahakasika azy. Nandritra ny fiverenan'izy ireo avy any amin'ny kaominina ambanivohitra Enakara dia nisedra olana in-telo ireto polisy ireto satria efa eny an-dalana ry zareo no nisy nankalaza fa hoe : avy nanafika olona tany Enakara. Voasakana in-telo izy ireo toy ny tao amin'ny kaominina ambanivohitra Esaka, kaominina ambanivohitra Ifarantsa ary ny kaominina ambanivohitra Soanierana ka rehefa nifampiresaka dia nahazo nandeha ihany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa nisy iray tamin'ireo mpaka an-keriny voatifitra no nankalaza fa hoe : nisy nanafika ny tanàna ka nahatonga ireo fanakanana ireo. Nalefa notsaboina tao Tolagnaro moa io olona io satria raikitra ao amin'ny feny ny bala ka tsy maintsy tsaboina. Mbola misy olona miisa 3 hafa karohina momba ity raharaha fakana an-keriny ity.
Pati
Legende : Rasoanirina Olivette sy ireo jiolahy mpaka an-keriny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT