Zaza varira 4 taona nalaina an-keriny

Hita saingy efa tsy nisy fofon’aina intsony


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Zaza manana toe-tena varira iray manodidina ny 4 taona no fantatra fa nisy naka

an-keriny tao an-tranon-dRay aman-dReniny ny 27 Desambra teo tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva. Nataon'ny tompon'andraikitra ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra noho izany ka hita omaly Alahady 29 Desambra tao Beharefo 5km miala ao Mandrosonoro ilay zaza saingy efa tsy misy aina intsony. Efa nanao ny fijerena moa ny Dokotera avy ao amin'ny CSB2 Mandrosonoro sy ireo mpitandro filaminana hoy ny vaovao. Marihina fa tsy nisy taova very, ao daholo ny masony, ny lelany. Ary tsy nahitana fanolanana na fery tamin'ny vatan'ilay zaza.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nahitana ny razana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT