ZAZA TSY HITA, ZAZA MATY NOVONOINA…

Miantso firaisankina hananganana saina mena ny olom-pirenena


  • Alarobia 14 Mey 2025

Tsy misy izay tsy mikolay ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika ny

ankamaroan’ny olom-pirenena. Vono olona atsy, fanendahana aroa, fandrobana atsy….Manoloana ireo tranga ireo indrindra fa ny fanolanana miampy famonoana amin’ny fomba feno habibiana ireo zaza tsy manan-tsiny eto amintsika tato ho ato dia manentana ny amin’ny tokony hananganana saina mena ny olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo Ray aman-dReny mbola miasa saina mikaroka ny silaky ny ainy tsy hita…Ho an'ny ràn'ireo zazakely tsy manan-tsiny, voaviravira novonoina tsikelikely sady naolana mandrapialan'ny ainy. Ho fiombonana alahelo amin’ireo ray aman-drenin'izy ireo nilaozan'ny sombiniaina tampoka, satria reny aho, satria ray manan-janaka aho. Ho fanairana ny fanjakana mahefa hanao haza lambo koa mba hihetsika mafy hitady ny nahavanon-doza, hiantoka ny fandriampahaleman’ireo zaza, ankizy no tena tanjona. Lasa miaina anaty tebiteby sy mandry andriran’antsy mantsy ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny amin’izao na dia handeha hivoaka hiantsena vetivety aza.
Pati
Legende : Mangataka ny hananganana saina mena tahaka izao ny olom-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT