ZAZA NALAINA AN-KERINY

TAO IKONGO Tafaverina amin'ny fianakaviana,


  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

olona 7 naiditra am-ponja

Olona miisa 7 no naiditra am-ponja vonjimaika taorian'ilay raharaha fakana an-keriny zaza iray vao 5 taona monja tany amin'ny distrikan'Ikongo.Ny alin’ny 12 Janoary teo raha tsiahivina dia nisy andian-jiolahy niditra tao amin’ny fokontany Ambalatenina, Kaominina Ambatofotsy, Distrikan’i Ikongo, ka naka an-keriny zazalahy kely 5 taona iray.Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy ka nanao ny fanadihadiana sy fanarahan-dia nitarika ny fokonolona raha vao nahare ilay tranga. Tafaporitsaka ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io saingy nanohy hatrany ny fikarohana sy ny angom-baovao ny Polisim-pirenena. Voasambotra ny 09 Febroary teo tao amin’ny Kaominina Beraketa, Faritra Androy ny 3 tamin’ireo olon-dratsy, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Polisy ao amin’ny Kaomisaria an’Ikongo sy ny Zandary avy any Beraketa. Notohizana ny fanadihadiana ka nahafantarana fa mbola nisy namany 4 hafa voarohirohy tamin’ity raharaha ity ka voasambotra tany amin’ny faritra Fitovinany, ny 18 Febroary teo. Ilay zaza kosa efa tafaverina tamin’ny fianakaviany. Natolotra ny fitsarana 04 Martsa teo ireo olona fito voasaringotra tamin’ity raharaha ity ary voatazona am-ponja vonjimaika.
Pati
Légende : Ireo olona tompon'antoka sy ilay zaza 5 taona nalaina an-keriny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT