ZAZA MENAVAVA VAO 2 VOLANA

Nianjera teny an-trotroan-dReniny efa mamo


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Zaza menavava iray vao 2 volana monja no fantatra fa nianjera teny an-trotroan-dReniny ny

Alatsinainy 17 Febroary lasa teo tany amin’ny Fokontany Ambatofitatra, kaominina Sambava, distrikan’i Sambava. Raha araka ny vaovao azo dia efa mamo tampoka io Ramatoa io tamin’ny fotoana nifampitrotroan’izy mianaka ka tsy nahafantatra izay tokony nataony intsony. Tsy tsaroany intsony ilay menaky ny ainy mbola marefo sy mila fitandremana fatratra izay marihina fa zazalahy kely. Naratra vokatr’izany ilay zaza, ary mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly hoy hatrany ny vaovao. Olona sendra nandalo kosa ka nahita ny fahavoazan’ilay zaza no nanatitra ilay tsy manan-tsiny tany amin’ny hopitaly. Tsiahivina moa fa tsy ny lehilahy irery intsony no mamolava amin’izao fa ny vehivavy koa, izay mitombo isa hatrany. Ireo olona sahirana amin’ny ankapobeny no tena mivary lavo amin’ny toaka ka tsy vitsy ireo alain’ny fianakaviany eny an-dalana rehefa mianjera tsy mahatsiaro tena raha misy koa ireo hararaotin’ny sasany hanaovana ny filan-dratsiny rehefa tavela any amin’ny toerana mangingina sy maizina.
Pati
Legende : Tsy vitsy ireo vehivavy mamo toaka tavela eny an-dalana tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT