Fandriampahalemana

Zava-mahadomelina Tsy ampy taona ny 75 %-n’ireo mpidoroka


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Mihamitombo isa hatrany ireo olona mandray sy mihinana zava-mahadomelina eto amintsika. Ireo ankizy tsy ampy taona 14 ka hatramin’ny 18 taona no tena maro an’isa.

 

 Mahatratra hatrany amin’ny 75 % izy ireo no tonga manatona ny toeram-pitsaboana misahana ireo olona manana olana amin’ny zava-mahadomelina sy  ireo te-hiala aminy etsy Andravoahangy ( CCAA). Mihoatra ny 65 % kosa ireo manana olana amin’ny alikaola izay manodidina ny 40 hatramin’ny 50 taona raha vehivavy ny ankamaroan’ireo te-hiala sigara ary manodidina ny 40 taona ihany koa. Ny 85 %-n’izy ireo ihany no mahatody ny fitsaboana hatramin’ny farany ary tavafoaka, hoy ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa, lehiben’ny tobim-pitsaboana. Antony dia misy amin’izy ireo no teren’ny orinasany na ny fianakaviany mba hiala amin’izany fotsiny fa tsy vokatry ny fony akory. Tsy lafo anefa ny fitsaboana sady tsy sarotra. Diovina ny vatan’ilay marary ary tohanana ara-tsaina izy aorian’izay mba tena ho resy lahatra tanteraka fa ratsy ny fidorohana zava-mahadomelina. Marihina moa fa tena manomboka mahazo vahana eto amintsika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’izao fotoana izao. Rongony 500 kg no tratran’ny mpitandro ny filaminana teto an-drenivohitra tato anatin’ny roa volana.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT