Fandriampahalemana

Zava-mahadomelina mahery vaika Vehivavy mpivarotra iray no tratra teny Ankazomanga


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Vehivavy iray 44 taona afak’omaly 25 jolay tokony ho tamin'ny 8ora sy sasany maraina teny amin'ny faritra Ankazomanga rehefa nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika.

Fantatry ny polisy miasa amin'ity sehatra ity ny fisian'olona mivarotra Rox eny amin'ity toerana voalaza ity. Samy manana ny filazany azy ny faritra ny rehetra eto an-drenivohitra ka Rox no hiantsoana ny heroïne eny amin’iny faritra iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra, nanara-maso ilay trano voalaza ary nametraka ny vela-pandrika ka tra-tehaka tao ity ramatoa ity. Mbola nahatrarana heroïne 10 fonosana tao aminy nandritra ny fisamborana azy. Araka ny fantatra, vidiany 80.000 ar amin'ny teratany vahiny iray ny iray grama. Tsinjarainy ary hamidiny 5 000 ar ny fonosana iray. Mahavita fonosana 30 ka hatramin'ny 35 isa izy amin’ny iray grama. Mahalafo 20 fonosana isan’andro izy ireo ary rehefa lany ny entana dia maka any amin'ilay olona mpamatsy azy indray izy. Iray volana sy tapany no efa namarotany sy namatsiany Rox na heroine teny amin'iny faritra Ankazomanga iny. Natolotra ny fampanoavana omaly ity ramatoa ity ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT