Fandriampahalemana

Zava-doza tany Morondava Maty notetitetehina sy nalaina taova izy mianadahy


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Zaza mianadahy no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Antsakamirohaka, kaominin'i Bemanonga, distrikan'i Morondava, ny Alarobia lasa teo.

Notetitetehin’ireo mpanao ratsy tamin'ny famaky ny tarehin’izy ireo hatrany amin'ny hatony, hoy ny vaovao ankizy vao 17 sy 18 taona monja. Lasan'ilay mpamono olona nandritra izany ny lelan'ilay zazavavy raha ny masony kosa no nanjavona tamin’ilay zazalahy kely. Nanomboka ny atoandro moa no nanjavona izy ireto rehefa avyh nampisotro rano bengy. Tokony ho tamin'ny 9 ora alina kosa vao nahitan’ny fokonolona izy ireo saingy vatana efa tsisy aina sy feno ratra no novantaniny tamin’izany. Ny alakamisy araka izany vao nahalala ny zava-misy ny zandary ary efa miroso amin’ny fanadihadiana. Iraitampo moa izy mianadahy ireto ary karazan’irony disadisam-piaraha-monina irony no antony namonoana azy ireo raha ny fahitan’ny mponina azy. Fikafika hanodinana ny zava-nitranga kosa no antony nakana ny lela sy ny mason’izy ireo hoy hatrany ny fokonolona. Na izany aza ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no hamaritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT