Fandriampahalemana

Zava-doza tany Bekily Tsy nisy maso sy lela intsony ireo fatim-behivavy hita


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Nahitana fatim-behivavy roa tany amin’ny distrikan’i Bekily omaly alahady. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia

eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona mahery eo ho eo izy ireo ary samihafa ny toerana nahitana azy saingy tsy nifanalavitra. Ny tena nampalahelo ny rehetra dia efa tsy nisy masony sy lelany intsony izy mirahavavy ireto. Ho an’ilay iray hita sy azo sary dia somary ningaina ihany koa ny zipony, an-kevitry ny naolan’ireo tsy mataho-tody raha ny fahitan’ireo manodidina azy. Nisavoritaka toy ny nosintontsitonina ihany koa ny volony izay tena nampahonena tokoa. Efa misy moa ny antso avo natao tamin’ny fianakavian’izy mirahavavy ireto raha efa misokatra kosa ny raharaha mahakasika ny anton’ireto vono olona mahatsiravina ireto. Tsiahivina moa fa alain’ireo dahalo hanaovana fanafody gasy amin’ny ankapobeny ny voamaso, antony mampirongatra sy mampahazo vahana azy io any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Na izany aza efa betsaka ihany ireo andian-dahalo tratra tamin’ity halatra voamaso niseho tany an-toerana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay vehivavy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT