Fandriampahalemana

Zava-doza ny fandriampahalemana Misy miakatra tosi-dra mihitsy noho ny tahotra


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

tsy andro tsy alina intsony amin’izao fa mitaintain-dava toy ny soabakaka am-body rindrina ny ankamaroan’ny isan-tokantrano eto amintsika manoloana ny tsy fandriampahalemana misy.

Ho an-dRamatoa Mirana, Renim-pianakaviana 40 taona mahery miasa amin’ny orinasa afaka haba iray eto amintsika dia nambarany fa tena reraka izy. Raha araka ny fanazavany dia miditra amin’ny 06 ora sy sasany maraina hatrany izy isan’andro. Tsy maintsy miala ao an-trano araka izany amin’ny 05 ora maraina nefa mbola maizina ny andro. Vao andro vitsy monja izay hoy izy no maty novonoin’ny sasany handeha hamonjy asa maraina ilay namako. Tsy nanana filaminan-tsaina intsony aho hoy izy nanomboka teo. Isan’andro anefa dia tsy maintsy mifoha amin’ny 04 ora maraina izy mahandro ny sakafon’ny ankizy sy ny sakafo atoandro kely entiny. Mbola olana ihany koa ny fanenjehana taxibe raha tsy lazaina intsony ny fitohanana eny an-dalana. Fanampin’izay hoy hatrany izy dia mbola niakatra ihany koa ny saran-dalana ka indraindray mandeha dia an-tongotra amin’ny hariva hanamaivanana ilay fandaniana. Mila hiakatra tosi-dra mihitsy aho indraindray hoy izy rehefa mody amin’ny hariva iny noho ny tahotra ireo mpanendaka saingy mbola tsy tratrany aloha. Tena sarotra ilay fiainana ary mila tsy ho zakan’ny vahoaka intsony hoy Ramatoa Mirana. ENCADRE Tena mafy ny hiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Ankoatra ny vesatry ny asa dia mbola olana ihany koa ny tsy fandriampahalemana izay saika hahafatesan’olona hatrany. Ny rotorotom-piainana tsy lazaina intsony, ny fiakaran’ny vidim-piainana ihany koa efa tantara antony goavana miteraka tsy fahasalamana, ka tokony hampieritreritra ny mpitondra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT