Zandary voadaroka sady very basy

Nalefa hotsaboina eny amin’ny HOMI Soavinandriana


  • Talata 28 Novambra 2023

Nitondra fanazavana mikasika ilay tranga fanafihana zandary niseho teny Ambohidranomanga

Ambatomirahavavy ny 24 Novambra teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina ny borigadin’Ambatomirahavavy. Fantatra tamin’izany fa basy chalacknikov marika FAC Nr 33071 miaraka amin'ny mu 30 LOT 61.92 ilay nentin’ireo jiolahy nitsoaka, fitaovana teny am-pelatanan’ilay zandary iray. Roalahy ireo zandary no niaraka ary samy nitondra moto scooter avokoa. Olona maromaro sahabo ho enin-dahy kosa no fantatra fa nanafika azy ireo. Vely bois rond kosa no nahazo an'i Ghc Rinarindrampanatenana izay nitondra ny moto scooter faharoa avy any aoriana. Raha vao vantany vao naheno ny hiakan’ ny lehibeny izy dia niodina avy hatrany ary nitifitra in-droa tamin'ny basy teny am-pelatanany kanefa raha vao nahita ity farany niverina sy nahare ny feom-basy ireo jiolahy dia vaky nandositra ka lasan'izy ireo tamin'izany ny basy FAC nr 33071 miaraka amin'ny chargeur iray misy bala lot 61.92 miisa 30. Niantsinana nihazo an'i Manarintsoa sy cure Vontovorona ny dian'ireo olon-dratsy. Efa nidina any an-toerana moa ny kapiteny kaomandin'ny vondron-tobimparitra Arivonimamo miaraka amin'ny zandary miisa valo hitarika ny hanao savahao sy fanarahan-dia. Eny amin'ny HOMI Antananarivo moa no tsaboina ilay zandary voatafika noho ny dona mafy nahazo ny lohany.
Pati
Legende : Nalefa hotsaboina eny amin’ny HOMI ilay ranamana ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT