Fandriampahalemana

Zandary tratra manao kolikoly Horoahina avy hatrany


  • Alarobia 31 Mey 2017

Naato nanomboka ny 13 lasa teo ny asan’ireo zandary manao fisavana eny amin’ny lalàm-pirenena noho ny fandrenesana matetika ny fanaovan’izy ireo kolikoly araka ny fanomezam-baovaon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

 Izaho aloha dia mahita fa misy io hoy ny Kaomandin’ny fari-piadidiam-paritry ny zandarimaria Antananana CIRGN Andrianjanaka Njatoarisoa. Niaiky ity tompon’andraikitra ity fa misy tokoa ny resaka kolikoly, ka na izaho aza rehefa mandeha taksibrosy, dia miafina fatratra sy tsy te ho fantatra ny olona satria misy io, ka izay no nahatonga ilay fepetra noraisina hampiatoana azy ireo aloha. Hisy aloha ny fampianarana ny zandary momba ny tokony hatao rehefa manao ny asa eny amin’ny làlam-pirenena, inona no voalazan’ny lalàna,… Hisy ny drafitra na fandaminana hatao, ka tsy hisy intsony ny zandary ho hita eny amin’ny làlam-pirenena manomboka amin’ny 6 maraina mandra-paharivan’ny andro fa eo amin’ny adin’ny roa eo ihany. Hisy ny fanaraha-maso hentitra aorian’ny fampiofanana, ka ireo tratra amin’ny resaka kolikoly, dia hafaninganina ny fanalana azy ao anatin’ny zandarimaria araka ny fanazavan’ny Kaomandin’ny CIRGN, ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Nasian’io tomponandraikitra io resaka ihany koa ny raharaha kopetarativa Madaomby, izay nanapa-kevitra ny hampiato ny resaka famatsiana omby noho ny ambara ho fananararaotan’ny zandarimaria, ka efa misy ny fanadihadiana atao momba izany, hoy io tompon’andraikitra io. Na izany na tsy izany dia rehefa tena jerena dia misy ihany koa fikasana te hiala amin’ny resaka fanaraha-maso ataon’ny zandary, ka misitrika ao anatin’ny Madaomby ireo olona mpanao trafika, hoy izy. Tsy azo ekena anefa izany satria mety hampiroborobo ny halatra omby, araka ny fanazavany. Mikasika ny resaka fakana an-keriny kosa dia mbola olana ho an’ny mpitandro filaminana amin’ny ankapobeny ny resaka fitaovana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT