Fandriampahalemana

Zandary sy ny fokonolona Hiady amin’ny tsy fandriampahalemana eny Atsimondrano


  • Zoma 16 Septambra 2022

Hifanome tanana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana ny zandary ao amin'ny FIGN sy CIRGN Antananarivo miaraka amin’ireo fokonolona ao anatin’ireo kaominina maro ivelan’Antananarivo renivohitra.

Voakasik’izany ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ahitana ny kaominina Ambohijanaka, Tsilazaina, Itaosy ary Ampitatafika. Nisy ny bemidina nataon’izy ireo afak’omaly alarobia 14 septambra alina. Ankoatra ny fijerena ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana dia nisy ny fanentanana sy fankaherezana nataon’ireo zandary tamin’ireo andrimasom-pokonolona. Hitohy hatrany araka izany ny hetsika fampandrian-tany hataon’ny roa tontaary nohamafisin’izy ireo ny fahamatoran’ny fiaraha-miasa iarahana amin'ny fokonolona.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahin’ny roa tonta

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT