Fandriampahalemana

Zandary sandoka Noraisim-potsiny izy 4


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Mpisoloky niisa 4 be izao no saron’ny polisim-pirenena tao Antsirabe ny herinadro lasa teo ary natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy lasa teo.

 Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olona iray tao Ambohimiandrisoa no nahatrarana ireto mpanao ratsy ireto, ka nisamborana azy ireo tany Mahafaly-Vatofotsy. Fitaovana marobe no sarona tany amin’izy ireo satria anisan’ny asa ratsy nataony ny fisandohana ho zandary, ka tratra tany amin’izy ireo ny fanamiana zandary fampiasan’izy ireo, bala niisa 5 ka ana kalack ny telo, finday sy fankan-tsary halatra maromaro, kara-panodro sandoka roa amin’ny anarana samihafa nefa sary iray ihany, vanjana bala, takelaka laharana « châssis », amin’ny vatan’ny fiara ireny ary taratasina fiara marobe. Ankoatra ireo dia mbola nahitana antontan-taratasy fandrafetana tetikasa marobe ihany koa niaraka tamin’ireo. Nambaran’ny kaomisera Divizionera Ramilison Celestin fa tambajotran-jiolahy matanjaka ireto sarona ireo satria nahitana karazan-javatra maro ireo tratra tao aminy ireo. Raha ny fantatra dia niainga avy tamin’ny fanomezan-baovao tamin’ny olona iray, nisandohan’izy ireo ho zandary ny resaka, ka nanombohana ny fikarohana, ka izao nahitam-bokany izao. Nanofa trano tao Mahafaly Vatofotsy ireo olon-dratsy, saingy milaza ho avy any Antananarivo. Anisan’ny nanaitra ny mpitandro ny filaminana ny nahitana ireny volo fanaovana tovana ireny ka nampiahiahy ihany koa sao hisy hifandraisany tamin’ilay vono olona mahatsiravina ireny. Voalaza fa nanao karazam-bolo toy ireny ilay vehivavy nisy namono. Natolotra ny fampanoavana moa izy ireo saingy mbola mitohy ny famotorana azy ireo.

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT