Fandriampahalemana

Zandary nandika lalàna 300 no efa voaroaka


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo olony ny zandarimariam-pirenena ary tsy misomonga mihitsy amin’ny fanasaziana ireo mihoa-pefy.

 300 eo izao ny zandary voaroaka tamin’ity taona 2017 ity, raha ny fanazavan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu, omaly noho ny fanaparitahana fitaovam-piadiana. Antony ny fandikan-dalàna, ny fitsipika amin’ny zandary na koa amin’ny maha olom-pirenena mihitsy. Mbola misy any am-ponja amin’ireo 300 ireo, kanefa rehefa avy nigadra, dia voaroaka avy hatrany. Nanambara io tompon’andraikitra ambony io fa tsy maharaka ny filan’ny vahoaka ny isan’ny zandary eto amintsika. Eo amin’ny 3.000 ny olona fehezin’ny zandary iray, kanefa any any andafy 800 na 1000 eo ho eo. Voafetra ihany ny fisandrahaky ny zandary any ambanivohitra. Tokony ho isaky ny kaominina izany saingy tsy mbola tratra ka isaky ny distrika aloha hatreto no hezahina. Distrika maro any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy voasokajy ho faritra mena no efa milamina sy tsy hanjakan’ny dahalo amin’izao dia ny faritr’i Benenitra, Betioky, Ampanihy,... raha ny fanazavan’ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT