ZANDARY MATY TANY

VANGAINDRANO


  • Talata 24 Martsa 2026

Manahy zavatra hafa ny fianakaviany

Zandary iray zanaka lahitokan-dRay aman-dReniny no fantatra fa namoy ny ainy tany Vangaindrano izay toerana misy ny paositra hiasany afak'omaly Alahady 22 Martsa. Raha araka ny fanazavana azo dia mbola nifampiantso an-telefaonina tamin-dReniny Itompokolahy tokony ho tamin'ny 10 ora maraina tany ho any izany hoe : mbola salama tsy nisy nahiana. Ora maromaro taorian'izay anefa dia nisy niantso ny fianakaviany fa namoy ny ainy maty an-drano izy. Niezaka niantso ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny fianakaviana nanoloana izany ka fantatra fa misy zavatra manjavozavo. Samihafa avokoa mantsy ny fanazavana azon'izy ireo, antony niantsoany mpanao gazety omaly. Tamin'io andron'ny Alahady io ihany moa dia efa niainga tany an-toerana ny razana ary efa tonga eto an-drenivohitra omaly Alatsinainy folakandro. Mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina mikasika ity tranga ity ny fianakavian'ny maty noho izany. Aorian'ny fikarakarana sy ny fandevenana ny razana no hangatahin'izy ireo hanaovana izany. Andrasana araka izany izay mety ho tohin'ny raharaha.
Pati
Légende : Ireo fianakavian'ny maty nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT