Fandriampahalemana

Zandary any Fitampito Ikalamavony Mitaky 70 tapitrisa ariary


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Velon-taraina noho ny afitsoky zandary avy amin’ny paositra Fitampito, distrikanin’Ikalamavony ny mponina sy ny fianakaviana mbola manana omby betsaka ao Betabika, 8 km miala ny renivohitry ny kaominina Fitampito.

 

 Tonga tao an-toerana ny zandary ary nitaky vola 70 tapitrisa ariary tamin’ireo fianakaviana be omby ao an-toerana, raha ny fitarainan’ireo mponina. Antony ny fanendrikendrehana natao tamina lehilahy avy amin’io tanàna io, izay nolazaina fa nangalatra omby. Mba handaminana ny raharaha ny antony nitakiana ny vola, raha ny fitarainana. Tsy nisy akory anefa ilay halatra fa tsindry bokotra sy ramatahora hakana ny volan’ny olona fotsiny. Anisan’ny toerana ahitana fianakaviana manana omby betsaka sy sokajiana amin’ny “mpagnarivo” na manankarena io toerana io. Mitaraina amin’ny fanararaotana ataon’ny zandary, araka izany, izy ireo satria ny natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no mitady handroba azy amin’ny fomba avo lenta. Sady mampalahelo no mahamenatra ny kolikoly sy ny fanamparam-pahefana, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana sy manam-pahefana mahefa eto amin’ny firenena ireo olona, izay mahatsiaro ho hiharan’ny antsonjay sy ny tsindrihazolena. Ny toe-javatra tahaka izany rahateo no lasa fandoto iray tandroka manaratsy ny mety ho ezaka misy amin’ny resaka fanadiovana ny asan’ny mpitandro ny filaminana, izay matetika mahazo kihana amin’ny fiarahamonina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT