Tontosa omaly 12 novambra 202 teny amin'ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary ny fanaovam-beloma farany ireo Zandary mpiana-draharaha miisa roa, Randriatsiorimamonjy Hasimanana Bienvenue sy Andriambelosoa Vahatra Nantenaina, samy niasa tao amin'ny CSAO
Malaimbandy, izay lavo nandritry ny hetsika fisamborana sy fanarahan-dia an'ireo dahalo naka olona ankeriny tany Malaimbandy ka tratry ny lozam-pifamoivoizana, ny harivan'ny faha 10 novambra 2020. Marihina fa nisy zandary miisa 14 ihany koa naratra nandritra izany izay saingy efa manaraka fitsaboana, ny 7 aty Antananarivo ary ny 7 hafa efa raisin’ny hopitaly ao Morondava. Tonga nanome voninahitra izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) sy Ramatoa vadiny notronin’ireo Manamboninahitra tompon'andraikitra ambony ato amin’ny Zandarimaria ary ireo zandary mpiara-miasa. Andinim-potoana roa sosona no notanterahina, dia ny fanondrotana azy mirahalahy ho eo amin’ny laharam-boninahitra "Zandary kilasy faharoa" sy ny fanolorana mari-boninahim-pirenena «Chevalier de l'ordre nationale» izay ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria no nanao izany. "Maherifon’ny firenena izy ireo" hoy ny Jeneraly SEG nandritra ny lahateniny satria vao nivoaka ny Sekoly dia nalefa tany amin’ny CSAO Malaimbandy, nanao an-kitsim-po ny iraka (mission) rehetra napetraka taminy tao amin'ny faritra mena izay misy azy ireo, ary tena mbola zatovo erotrerony tokoa nefa izao trà-doza tampoka teo ampanantanterahana ny asany izao. Raisin’ny Zandarimaria tanteraka ny mombamomba ireo fofom-bady navelan’izy mirahalahy, ka ho raisina ho mpiasa sivily izy roavavy raha sitrany izany, ho fanampiana azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.