Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Tsy misy indrafo ho an’ireo mpandika lalàna


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

“Tandroka aron`ny vozona ny zandary ary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy tokony hiray tsikombakomba amin`ireo jiolahy”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jly Richard Ravalomanana.

 

 

 

 Zandary 41 no efa naiditra am-ponja tao anatin`ny enim-bolana ary tsy nisy nanagadra olona be dia be raha tsy izahay ato amin`ny zandarimariam-pirenena, hoy ihany izy. Tsy misy ny indrafo amin`ireo izay minia handika sy manitsaka ny lalàna mifehy ny zandarimariam-pirenena. Mbola hitohy hatrany io fanadiovana io ary tsy mifidy laharam-boninahitra fa izay mihoa-pefy dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna. Notsipihany fa tsy natao hangalana dera ny maha zandary fa natao andraikitra fotsiny. Izany no fanambarana nataon`ity sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ity nandritra ny lanonana fampiakarana galona ireo manambonihaitra miisa 17 teny amin`ny toby Ratsimandrava ny sabotsy lasa teo. Niankina tamin`ny fitondran-tena sy ny asa vitan`izy ireo no masontsivana nofantenana ireo zandary ireo.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT