Zandarimariam-pirenena

Tontosa omaly ny famindram-pibaikoana


  • Talata 05 Martsa 2024

Tontosa omaly 4 martsa tao amin'ny kianjan'ny Barea ny famindram-pibaikoana

teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao natrehin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian. Mivoatra ny adidy sy andraikitra ary isaorana indrindra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina nanapakevitra ny hanomezana izany adidy sy andraikitra izany ho an'i Général de Divison Andriantahiana Jean Herbert Rakotomalala hoy ny Lehiben'ny Governemanta ary nohamafisiny fa tsy kilalao ny andraikitra na andrakandrana, ary ny fanomezana toky dia tokony hisy fahamendrehana eo amin'ny fanatanterahana azy. Ny tompon'andraikitra rehetra dia mila mijoro sy manatanteraka ny asany amin'ny rariny sy ny hitsiny amin'ny fotoana rehetra, na mora na sarotra mba ho tombotsoan'ny firenena. Nambara fa betsaka ny efa vita fa mbola maro ny adidy miandry ka ilaina ny fahaiza-manao, ny fitsipi-pifehezana ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly izay tokony haseho isan'andro amin'ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra tanterahana. Dingana vaovao no tokony hiainan'ny zandary manomboka izao hanamafisana ny efa vita hatrizay. Mahereza ianareo ary matoky anareo ny firenena amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny andrim-panjakana ary indrindra ny fiandrianam-pirenena, hoy hatrany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Miandrandra vokatra eo anatrehan'ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ny vahoaka na an-drenivohitra na ambanivohitra satria na misy tokoa aza ireo vokatra dia mbola mampiteny ny moana ny zava-misy, ary indraindray mifangarika ny zava-mitranga rehefa hiaro mpanao politika sy ny sezany andaniny, ary rehefa hiaro ny vahoaka sy ny fananany ankilany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT