Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena “Ny Zandary-Jiolahy no haiditra am-ponja”


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

“Hatramin’izay nitantanako dia zandary 42 no niditra am-ponja ka misy amin` izy ireo manamboninahitra ambony.

 

 

Mety henjana izany fa ilaina” hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, sekretera jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Betsaka ny ezaka natao nihoatra ny teo hatramin` izay momba ny famongorana ny zandary-jiolahy. Notsindriny manokana fa tsy misy zandary arovana fa ireo zandary jiolahy no hampidirana am-ponja. Ny kolikoly, hoy izy, dia efa tafiditra ao anatin` izay ezaka natao izay ka miisa sivy ny tranga atao fanadihadiana ary tsy manakana ny BIANCO hanao ny asany. Asa ratsy ataon` ny olona iray no manimba ny endrikin` ny zandarimaria sy ny fanjakana, hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsisy fanjakana hanao kolikoly fa ny olona ao aminy no manao kolikoly ka manaratsy ny fanjakana ka izany no tsy maintsy handraisana fepetra, hoy ihany izy. Na dia mangingina aza ny asan-dahalo amin` izao fotoana izao, dia ny fiarovana ny olona sy ny fananana no laharampahamena. Ankoatr` izay, hisitraka fiaraha-miasa amin` ny governemanta Frantsay ny tafika Malagasy ka isan` izany ny ady amin’ny asan-jiolahy, ny ady amin` ny fijirihina sy ny fiarovana ny faritra an-dranomasina sy ny harena ao anatiny koa.  Ny tafika ana habakabaka dia miaina ao anaty fihavaozana tanteraka ka Lafrantsa dia hanohana io fiovana io. Hanohana fampiofanana miaramila ihany koa i Lafrantsa ka ny fampiasana ny tafika amin`ny sehatra nasionaly dia manaraka fitsipi-pitondran-tena tsy maintsy voafehy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT